Faratsiho : Rangahy maty nokapakapain’ny jiolahy tamin’ny famaky

Jacaranda

Ny alarobia lasa teo, tokantrano iray ao amin’ny fokontany Soanierana ao amin’ny distrika Faratsiho no lasibatry ny jiolahy. Vokany, raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy avy hatrany rehefa nokapakapain’ireo jiolahy tamin’ny famaky. Entana sy firavaka sarobidy maromaro ihany koa no lasan’izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo. Io alarobia io, tokony ho tamin’ny folo ora alina no nigadona tao amin’io tokantrano io ireo olon-dratsy, izay nirongo fitaovam-piadiana. Nitaky ny vola avy hatrany izy ireo. Toa efa fantampatr’ireo jiolahy mantsy fa misy vola ao an-trano satria vao nivarotra tany ilay raim-pianakaviana. Nandà hatramin’ny farany ny fisian’ilay vola anefa ity farany, ka izay no tsy nanan’ireo mpanafika antra intsony tami’ny famonoana azy, izay tamin’ny fomba feno habibiana tokoa. Vao avy namono an’ity lehilahy ity moa izy ireo dia nitsoaka nandositra avy hatrany. Noezahina novonjena nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ilay naratra, saingy indrisy fa efa tsy izy intsony. Nampandrenesina ny mahakasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana ary efa niroso tamin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.