Itaosy : Mpamaky trano raindahiny voasambotry ny zandary



Jacaranda

Roalahy fanta-daza amin’ny famakiana trano no voasambotry ny zandary teny amin’iny faritra Itaosy iny ny voalohan’ny volana novambra teo, tokony ho tamin’ny iray  ora maraina.  Araka ny fampitam-boavao dia tra-tehaka teo am-pitaomana ireo entana vao nangalarina tamina trano iray teny an-toerana izy ireo tamin’io fotoana io.  « Nandritra ny fisafoana fanaon’ny zandary isaky ny alina no nahatratrarana azy ireo nitondra entana amin’ny gony rehefa nosavaina ka hita fa mizana telo miaraka amin’ny vatomizana, vilany maromaro sy fitaovan-dakozia isan-karazany no tratra teny amin’izy » hoy ny vaovao. Tato ho ato tokoa dia isan’ny nampikaika ny mponina ny resaka famakian-trano teny amin’iny faritra Itaosy ny manodidina iny. Izy roalahy ireto, raha ny fantatra no anisan’ny tompon’antoka tamin’ny ankabeazan’ireo asa ratsy ireo, araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana. Inoana araka izany fa mba hilamindamina amin’ny resaka vaky trano iny faritra iny amin’izao fahatratrarana azy roalahy ireto izao. Etsy andanin’izay, tsy mitsahatra ny manentana ny mponina ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fampilazana azy ireo avy hatrany raha vao misy tranga mampiahiahy. « Manentana ny rehetra amin’ny fiaraha-miasa indrindra amin’ny fanomezam-baovao mba hisorohana ny ratsy ka hisian’ny fandriam-pahalemana » hoy ny fanazavana.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.