Halatra gazoala : Mpitandro ny filaminana nosamborin’ny zandary

Fantatra ankehitriny, fa mpitandro ny filaminana ny iray tamin’ireo nosamborin’ny zandary rehefa voarohirohy ho tafiditra tao anatin’ny tambajotran’ny mpangalatra solika. Raha hiverenana kely dia nofotsian’izy ireo ny solika tao anatin’ny fiarabe izay mpanatontosa ny fotodrafitrasa napetraky ny Filoham-pirenena (projet présidentiel). Sarona teo am-panaovana ny asaratsiny ireo tambajotra raha hiverenana kely ary mbola nitsoaka aza rehefa nanontanian’ny zandary. Nifanenjehana teny amin’iny « by pass » ny fiara ary teo no nahasarona ilay mpitandro ny filaminana. Nidoboka am-ponja ny ankamaroan’ireo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ary miandry ny fitsarana azy.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. zany ve ny « mpitandro filaminana » , tena mampalahelo an!

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.