Miary Toliara II : Teratany vahiny roa tra-tehaka nangalatra lakolosim-piangonana

Jacaranda

Teratany vahiny roalahy no tra-tehaky ny fokonolona tao Miary, ka niharan’ny Dinabe nandoa vola mahery ny valo tapitrisa Ariary. Very nisy nangalatra ny lakolosin’ny fiangonana katolika tao Belemboka distrikan’i Toliara II, ny zoma naraina lasa teo. Natao avy hatrany ny fikarohana, ary nisy loharanom-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo niaingan’ny fikarohana, ka teo am-panafenana ny lakolosy, izay saika halevina tany anaty tany ireto vazaha ireto no voasambotra, ka avy hatrany, dia natolotra ny mpanao Dinabe, ary natao ny fanasaziana rehetra araka ny dina ara-panjakana manan-kery nankatoavin’ny fitsarana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nantsoina nanatrika ny dina izao ihany koa ny avy ao amin’ny fiangonana katolika Toliara tompon’ny lakolosy very.

Lakolosy 15 very. Vita ny sazin’ny Dinabe, dia natolotra ny fitsarana ireto mpangalatra, izay tsy mbola nahazoam-baovao hatramin’ izao : na naiditra am-ponja, na nahazo fahafahana vonjimaika, ireto teratany vahiny ireto, satria izay tompon’ andraikitra nanontanian’ny mpanao gazety, dia tsy nisy nety nanome vaovao. Raha ny nambaran’ny vikera Jeneralin’ny fiangonana katolika, dia efa ho 15 izay ny lakolosin’ny fiangonana katolika very tany anatin’ny diosezin’i Toliara, ary ny roa tamin’ireo ihany no tratra, dia ny tao Miary izao sy ny tany Sakaraha farany teo.

Eric Manitrisa

Share This Post

3 Comments - Write a Comment

  1. inoako fa fanaratsiana ihany an’ireo vazaha ! Le plus probable amiko de le mpiasan’ireny vazaha ireny no nanao io halatra mahamenatra io !

  2. Raha karana na sinoa na afrikanina ireo efa nolazainy. Raha gasy moa dia hatramin’ny anarany. Nasiany sary aza!

  3. Ka tsy manana nationalité ve izany moa le vahiny sa dia ahoana?
    Aleo tsy manoratra rehefa tsy mbola tena afaka fa tsy tsara ny manaonao article pokaty toy itony……

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.