Ampefiloha : Lehilahy hita faty tanaty faritry ny hôpitaly

Jacaranda

Lehilahy iray manodidina ny 25 taona no hita faty tao an-tokotanina hôpitaly iray tetsy Ampefiloha omaly maraina. Nahitana ratra teo amin’ny tarehiny, tamin’ny fizahana voalohany ny razana. Mpamafa tokotany vao maraina no nahita ity razana teo ambany hazo iray teny an-toerana, nanandrify indrindra ny biraon’ny tale iray ao amin’ity hôpitaly ity, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina, tany ho any, raha ny voalazan’ireo nanatri-maso. Niantso avy hatrany ny tompon’andraikitra ity mpiasa ity. Tonga teny an-toerana avokoa ireo, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Nisy namono sa matin’ny aretina ? Ny fahitàna ny tarehiny mivonto sy ny ratra eo aminy dia mety ahafahana milaza fa nisy namono tany ho any izy io ary natsipy teo. Araka ny filazana mpiambina iray eny an-toerana ihany koa mantsy dia tsy nahita n’inona n’inona teo amin’io faritra nahitana ny razana ny tenany, raha nandeha nihazakazaka vao maraina tokony ho tamin’ny telo ora tany ho any. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha ankehitriny. Nentina ao amin’ny tranom-patin’ity hôpitaly ity kosa ny razana. Fa tranga iray toa izany ihany. Terantany karàna iray no hita faty tetsy Tsaralalàna omaly hatrany. Matin’ny aretina ity vahiny ity raha ny fizahana voalohany natao tamin’ny razana, hoy ireo mpitandro filaminana. Na izany na tsy izany aza anefa dia somary mampiahiahy ihany ny tranga nahazo azy ka tsy maintsy nanakofana fanadihadiana. Mipetra-drery mantsy izy, raha ny fanazavàna azo. Ary mbola tsy fantatra kosa hatreto na tao an-tranony izy io no namoy ny ainy na tanaty trano fandrasaim-bahiny. Nisy nanatitra tany amin’ny tranom-paty fotsiny mantsy ny razana, raha ny fantatra hatrany.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.