Antanimora Androy : Olona efatra maty notifirin’ny Kalony

Olona efatra avy nosamborina ary ho entina atao famotorana sy fitanana an-tsoratra no fantatra fa maty notifirin’ny Kalony tany amin’ny toerana iray 4 km tsy ahatongavana any Antanimora eo anelanelan’Ambatobe sy Ankilifantsy, araka ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana.

Tamin’ny faha-4 novambra teo, nahazo didy hitondrana olona efatra nomen’ny tribonaly ny zandary avy ao amin’ny borigady Antanimora. Voarohirohy tamina asan-jiolahy niseho tamin’ny volana oktobra ny taona 2014 ireo olona ireo. Nalaina tany Ankorify fokontany Ikonda izy ireo. Tsy misy fiara  fa dia bisikileta sy moto no nentina tamin’izany ary ankoatra ireo zandary dia nisy mpikambana ao amin’ny Kalony efatra niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana ireo. Rehefa teny an-dalana anefa hiverina anefa, simba ny moto iray. Teo ampanamboarana io moto io ireo zandary no voalaza fa notifirin’ireo  mpikambana Kalony ireo olona efatra ka maty. Lasa nandositra ireo avy nitifitra. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa niverina nitolo-batana tao amin’ny borigady Antanimora ny telo tamin’ireo Kalony. Tonga dia nentina any amin’ny kaompania Androy hanaovana famotorana izy ireo. Ilay fahaefatra kosa dia mbola karohina amin’izoa fotoana izao.

Nangonin’I r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire