Vavatenina: mpivarotra lasantsy nitera-doza : Trano 307 kila hotohoto, olona 1.508 may fananana, isan’izany ny ben’ny Tanàna

Mpamongady isan’ny lehibe ao Vavatenina amin’ny fokontany P/elle faha-09 sy faha-10 ity niandohan’ny afo nahamay tanana iray manontolo ity; tsy vitan’ireo entana madinika ihany no amidiny fa eo koa ny solika. Vokatry ny tsy fitandremana kely monja anefa dia loza be no nitranga.

Nifoka sigara. Tokony tamin’ny 2 ora dia nirehatra ity tranombarotra mpamongady iray ity. Nikoropaka ny rehetra niezaka namonjy ny afo tsy hitarany, nefa noho ny lasantsy sy gazoala maro tao anaty barika, sy ireo toaka mahery tao anaty “bidon” maro be, dia tsy tana ny afo raha vao nahazo ireo trano manodidina vita amin’ny vokatry ny tany mora mirehitra avokoa. Raha ny fanazavana “mari-pototra” azo avy amin’ireo tompom-panana sy trano may dia ny fifohana sigara teo amin’ity tovolahy mpiasan’ny tranombarotra nandraraka lasantsy nisy mpamily fiara nividy no niteraka ny afo be. Tsy nisy aloha ny maty araka ny fanazavana nomen’ny kaomisera Rakotoarisoa Andre; nisy sy maro kosa ireo naratra vokatry ny fahamaizana sy ny famonejana ny entany saingy efa samy nahazo fitsaboana avokoa.

Traboina ny ben’ny tanàna. Nandritra ny adin’ny telo niady tamin’ny afo nataon’ny vahoaka, isany kaominina tsy manana fiara mpamonjy voina sy hain-trano ny any an-toerana, dia niisa 307 ireo trano kila hotohoto ka magazay lehibe mpamatsy ny tanana ny 6, trano 20 kosa voatery noravana, miisa 1.508 ireo tra-boina ka isan’izany ny ben’ny tanànan’i Vavatenina may hatramin’ny fiarany 4×4. May tanteraka ihany koa sekoly tsy miankina ahitana mpianatra an’arivony, garabola hatramin’ny taona famaranana, “Le Victoria”. Efa tany an-toerana hatramin’ny sabotsy mamerina ny herinaratra ao an-tanana ireo ekipan’ny jirama Toamasina; vokatry ny hain-trano dia andrin-jiro sy tarobia ary ireo kaontera maro may. Nanomboka ny alahady teo dia azo heverina fa efa miverina amin’ny laoniny ny jiro an-tanana.

Raha eo amin’ny fanampiana ny tra-boina kosa dia nanao tsipaipaika ny lehiben’ny faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques tonga nijery ifotony ny hain-trano, niaraka tamin’ireo lehiben’ny servisy sy ireo talem-paritra ary ireo vahoakan’i Vavatenina, nentina aloha nanampiana azy ireo aloha. Ny fiangonana katolika, ny kianja “Espace Shamur” ary ny tranoben’ny kolontsaina no nampian-tranoana aloha ireo tra-boina ireo. Sahiran-tsaina kosa ny BNGRC satria fanampiana tokony hateriny amin’ireo tra-boina ao Soanierana Ivongo no voatery navily lalana aloha naterina ho an’ireo tra-boin’i Vavatenina.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire