Antanimena : Mirongatra ny halatra anaty fiara

Anisan’ny malaza ho faritra mena ny eny Antanimena raha ny halatra anaty fiara no lazaina. Tamin’ny herinandro lasa iny, fiara roa no lasibatra. Araka ny loharanom-baobao, nivoaka fotoana tsy ela ny fiarany ireo olona ireo. Rehefa niverina anefa ry zareo, akory ny hatairany fa efa nivoha ny varavaran’ny fiara. Nojerena akaiky, maro ny zavatra very toy ny « auto radio », ny entana rehetra ary lasa hatramin’ny kojokojana « batterie » sy zavatra hafa. Variana ireo tompon’ny fiara satria maro mpandalo iny toerana iny. Etsy ankilany, be koa ireo mpitandro filaminana mandamina ny fifamoivoizana. Toa tsy nisy nahita ny zavatra niseho anefa ireo rehetra ireo. Araka ny filazan’ny olona eny amin’iny faritra iny, tsy ny halatra anaty fiara ihany no misy eny Antanimena akaikin’ny « rond point » fa eo dia eo koa ny endaka firavaka volamena. Ireo mpitondra fiara sendra ny fitohanan’ny lalana no lasibatra amin’izany. Na dia mihidy aza ny fitaratra, izany hoe zara raha misy hidiran’ny rivotra, vitan’ireo mpanao sinto-mahery ny maka ny rojo eny ambozonan’ny olona.

Tsy eny ihany anefa no misy ny halatra anaty fiara fa toa saika menarana ny faritra maro eto an-drenivohitra. Miala eny Antanimena, mandeha eny Antohomadinika tonga eny Isotry sy Andamamba rehetra iny. Tsy tononina ny eny amin’ny 67 Ha. Saika isan’andro no andrenesana fiara voaroba. Tsy ny fiara mijanona ihany fa ny mandeha anaty fitohanana aza. Ty misalasala intsony ireo mpisam, tsy tahotra tsy henatra, manendaka.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire