Mandoto : Sady mandihy no mandroba ny dahalo

Ny alin’ny nandalovan’ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra tao Mandoto, ny herinandro lasa teo iny,  dia nisehoana fanafihan-dahalo mitam-piadiana tao Ampanavahana, 2 km miala ny tanànan’i Mandoto . Marihina fa tsy dia lavitra loatra ny tobin’ny zandary no misy ity toerana ity raha ny fanazavana, midika izany fa tsy misy tahotra na dia kely aza ireo dahalo. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nitranga ny fanafihana izay naheverezana omby  5 teo an-tanàna. Niezaka nanao ny fanaharahan-dia ihany ny fokonolona ka hita faty teny an-dàlana mihazo an’i Vasiana ny omby iray,  novonoin’ireo dahalo nakany hena, tsy nisy azo kosa ireo ambiny fa very avokoa. Ny ampitson’io izany hoe ny Alakamisy alina tao amin’ny  fokontany Tsaramody indray no lasibatra. Tao no nanao ny hadalany sy ny habibiany ireo dahalo, tsy fantatra aloha raha efa mamo izy ireo na nidoroka zava- mahadomelina, fa dia norobainy izay tratrany, ary ireny « radio carte » ireny no nalainy sy natatatatany ka nandihizany teo an-tokotanin’olona niaraka amina bisikileta hoy ny fanazavana voaray. Valo lahy indray no fantatra fa nanao ity fanafihana ity, mitondra basy ry zalahy ary mampihorohoro izay lalovany. Nambaran’ny loharanom-baovao, fa ombin-tsarety  6 no lasany tamin’io fanafihana io. Ankoatra ny omby moa, dia noraofiny  ihany koa izay entana rehetra mora notabataina. 

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire