Tanjombato : Mpitondra môtô nidofotra tamin’ny andrin-jiro, maty tsy tra-drano

Nandriaka indray ny rà, teny Tanjombato, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Lehilahy iray nitondra môtô scooter no namoy ny ainy avy hatrany rehefa nidofotra tamina andrin-jiro iray teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo no nisehoan’ny loza raha ny filazan’ireo nanatri-maso. Raha ny fahitana ny dona, dia azo heverina fa nandeha mafy dia mafy tokoa ity lehilahy, izay efa raim-pianakaviana ity. Ny andro rahateo efa alina, ka nanararaotra ny fahalalahan’ny lalàna angamba ny tenany. Tsy vitan’io anefa, fa volazan’ireo nanatri-maso hatrany fa toa hoe efa somary mamomamo ity lehilahy ity. Tsy mety miaraka velively anefa ny fitondrana zavatra misy kodiarana sy ny alikaola ka dia izao no vokany. Tsy voafehy intsony ny familiana nony tojo fiolahana. Nifatratra teny amin’ny andrin-jiro ny môtô izay nentiny, ary izao niteraka famoizana aina izao. Potika tanteraka mantsy ilay scooter nentiny tamin’io fotoana io, ary nipitika lavitra ny toerana nisehoan’ny loza mihitsy ilay rangahy. Voa teo amin’ny lohany izy, izay nahatonga ny fahafatesany raha ny fantatra hatrany. Efa tonga teny an-toerana moa ireto tompon’andraikitra isan-tokajiny avy. Nentina tany amin’ny tranom-paty kosa ny razana nanaovana fizahana ary nomena ny fianakaviana teo.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Au moins un motard de moins pour rouspéter contre l’ordre de non-circulation en ville pendant la semaine de francopholie! c’est positif pour le pays.

Poster un commentaire