Itaosy : Jiolahy saika hanafika voatifitry ny zandary

Soa ihany, tonga ara-potoana ireo zandary ! Nahamailo ny mponina teny amin’iny faritra Ambaniala Itaosy iny ny fisiana telolahy, nitondra sakaosy nihaodihaody teny an-toerana, omaly hariva. Tsy mponina eny rahateo izy ireo raha ny vaovao voaray. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ary tonga haingana teny an-toerana. Vao nahatazana ireto farany ireo telolahy, dia nirifatra nitsoaka. Niezaka ny nampijanona azy ireo ny mpitandro filaminana, saingy tsy nety nijanona izy ireo. Voatery nampiasa basy ireo zandary tamin’io fotoana io, nampitandremana azy ireo, kanefa mbola nanao tari-dositra izy ireo sady mbola namoaka basy ihany koa, hanoherana ireto mpanenjika. Raikitra ny fifanenjehana ary tonga hatreny an-tanimbary mihitsy. « Amin’ny toe-javatra tahaka izao, indrindra ny amin’ny tsy maintsy hiarovana ireo mponina, dia noezahina natao ny mba hifehezana haingana ny toe-draharaha », hoy ny fanazavàna azo. Voatery nitifitra ireto olona nitsoaka ireto ireo zandary ka voa tamin’izany ny iray tamin’izy ireo, voan’ny bala teo amin’ny feny. Nibaboka kosa ny iray. Tafaporitsaka tanaty haizina sy ny elakelan-trano kosa ny naman’izy ireo iray. Mbola nahitàna fitaovam-piadiana moa teny amin’izy ireo raha ny fanazavàna azo hatrany. Araka izany dia olon-dratsy efa niomana hanafika mihitsy izy ireto, raha ny vaovao voaray hatrany, saingy izao tra-tehaka mialoha izao ny fikasan-dratsin’izy ireo. Etsy andanin’izay, tsy mitsahatra ny manentana ireo mponina hatrany ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fampilazàna azy ireo ara-potoana ahafahana misoroka ny zava-doza mety hiseho tahaka ity teny Ambaniala ity. Fantatra kosa fa efa manao ny fikarohana ilay olon-dratsy hafa tafatsoaka ireo zandary.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.