Betafo- Ambohimanarina : Tovolahy 18 taona , tratra namaky trano

Ny alatsinainy lasa teo , tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro no nisehoan’ity tranga ity, teny amin’iny faritra  Betafo  iny. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia voalaza fa tovolahy kely , mbola eo amin’ny 18 taona eo no tra-tehaka teo am-pamakiana tokantrano iray.  Vokany, novonoin’ny fokonolona ity tovolahy mpamaky trano ity, ka naratra mafy, ary tsy namelan’ireo mponina izy raha tsy efa voa tanteraka, nijininika ny rà ka izay vao navelan’ ny mponina.  Mbola antoandro be no niditra an-tsokosoko tao an-trano ity tovolahy vao herotrerony ity , izay marihina fa tsy nisy tao ireo tompon-trano tamin’io fotoana io. Rehefa tafiditra soa aman-tsara tao an-trano izy avy teo, dia nanampatra ny fony ka nibata izay rehetra lafo vidy tao, toy : ny  « firavaka volamena , fahitalavitra, sy ny « rice cooker ». Araka ny fitantaran’ity jiolahy ity, dia efa teo an-dàlana hivoaka izy no tratran’ny fokonolona , mbola niaraka an’ireto entana maro isan-karazany . Vantany vao nahita kosa ireo mponina dia samy namely avokoa , ary naratra mafy ity farany . Rehefa afaka ny fon’ ireo mponina, dia naterin’izy ireo avy hatrany teny amin’ny polisy ity tovolahy ity.  Rehefa vita ny famotorana azy dia fantatra fa niakatra « parquet » omaly ity tovolahy ity , ka mbola miandry ny fitsarana azy.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire