Kaomisaria Sabotsy Namehana : Lehilahy maty teo am-pamotorana azy



Jacaranda

Lehilahy iray no fantatra fa namoy ny ainy tamin’ny fotoana nanaovana famotorana azy tao amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy Sabotsy Namehana. Ny alarobia maraina no nisehoan’izany.

Tamin’ny talata lasa teo, nifanehitra tamina olona efa voalaza fa nivembena ny polisy avy ao Sabotsy Namehana. Araka ny loharanom-baovao avy amin’izy ireo, avy any Andranovelona ity lehilahy 38 taona ity. Nosakanana ary nosavaina io olona io. Tamin’izany, hoy hatrany ny vaovao, no nahitana fonosana rongony tany aminy. Nentina tany amin’ny birao ny « commissariat central » Sabotsy Namehana izy. Io andro io ihany, tsy nisy ny fanadihadiana azo natao taminy noho ny toe-batany, hoy ny mpanao famotorana. Notazonina natory tao izy ny alina iray manontolo. Ny alarobia maraina, navoaka ny toerana nihazonana azy ity lehilahy ity ary dia nanomboka ny fanadihadiana. Tamin’io fotoana io indrindra anefa no nilaza ilay rangahy fa te hamonjy trano fivoahana fa poritra. Rehefa niverina avy any izy dia nasaina nipetraka teo ambony seza. Tsy fantatra anefa izay nahazo azy fa niondrika ny anao lahy ary dia nitambotsitra avy eo. Teo voa nikoropaka ny mpitandro filaminana niandraikitra ny fanadihadiana. Nantsoina ny mpitsabo teny an-toerana. Asa na vao maraina loatra fa tsy mbola nisy afaka nijery. Tsy niandry ela ireo polisy fa naka ny « ambulance » Sab Nam niezaka nitondra ilay lehilahy teny amin’ny hopitaly Anosy Avaratra. Nanao ny fizahana ny dokotera teny an-toerana ary nilaza tsy nisalasala fa « efa maty io olona io . Fahafatesana tsotra ». Teo anatrehan’izany, nangataka taratasy afaka manamarina izany ireo mpitandro filaminana. Valiny, tsy afaka manome izany ny mpitsabo satria tsy manana fitaovana hanaovana « autopsie ». Teo no ho eo ihany, hoy hatrany ny vaovao dia nentin’ny « ambulance » teny amin’ny HJRA ny razana hanaovana izany fitiliana izany.

Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa ny alarobia ihany, tokony ho tamin’ny 10 ora, nisy olona tonga nitonona ho fianakaviana hanatitra sakafo. Nolazain’ny tompon’andrikitra azy ireo  zavatra nisy. Nangataka ry zareo ho eny amin’ny HJRA hijery ny havany. Fiaran’ny polisy no nitondra azy. Rehefa avy nahita ny razana ireo olona ireo dia niverina teny Sabotsy Namehana ka mbola ny fiaran’ny polisy hatrany no nitondra azy ireo. Toarian’izany moa, fantatra fa hametraka fitoriana ireo havan’ny maty. Misokatra ny fanadihadiana ary samy miandry izay ho valin’ny « autopsie » ny rehetra, hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

Nangonin’i r.s.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.