Ankasina : Trano nisy namaky, lasa ny vola tahiry sy ny finday avolenta

Nisehoana vaky trano indray teny amin’ny faritra Ankasina , Afak’omaly , tokony ho tamin’ny 2 ora maraina teo. Araka ny vaovao voaray dia voalaza fa very tao anatin’izany avokoa ireo vola tahiry rehetra an’ny tompon’ity trano  ity , izay fantatra fa niaraka tamin’ny finday lafo vidy, fa indrindra  ireo entana rehetra tao amin’ny trano . Araka ny fanazavan’ny tompon’ity trano vaky ity dia  manana trano roa izy ary ifandimbiasany ipetrahana avokoa  ireo trano ireo. Sendra tsy tao amin’ ilay trano iray izy no nitranga izao vaky trano izao. Araka ny fanazavany hatrany dia misy ny olona ahiahiany momba ity vaky trano ity, izay olona akaiky ny trano fonenany ihany. « Misy olona izay eo akaikinay , ary miresaka amiko izy io , talohan’ny vaky trano dia nanontany ny lalana miditra ao an-trano izy » ka izay no ananako ahiahy aminy. Hoy hatrany ny fitantaran’ny tompony trano vaky. Mitentina dimy tapitrisa ny vola voalaza fa very ary  ny finday kosa dia  voalaza fa 2 hetsy ariary . Nampiakatra avy hatrany ny raharaha ny tompon’ny trano ka voatazona vokatr’izany ity lehilahy  noahiana ho nahavita ny vaky trano ity. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tsy tao an-trano ity lehilahy ity , nandritra ny vaky trano, rehefa nanontaniana ny vadiny dia nanamarina izany fa tsy nody ity farany tamin’io andro io. Efa nidoboka any  am-ponja kosa ity lehilahy ity ankehitriny.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.