Ivohitra Antsirabe : Nahitana fatin-dehilahy

Fatin-dehilahy iray indray no nisy nahita teny Ivohitra ny talata lasa teo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra voalohany fa ohatra ny tsy miaina intsony ity rangahy iray hitany mivalampatra eo antsisin-dalana ity. Niantso ny manodidina izy  ary samy nijery teo avokoa ny rehetra izay nandalo, rehefa tena nojerena tokoa dia tsy nisy aina intsony ilay rangahy fa efa maty tanteraka. Efa nisy nahita ihany izy ity raha ny filazan’ny nanatri-maso fa noheverin’izy ireo ho olona mamo ka resin-tory. Notsofina ny kiririoka mba hanairana ny manodidina fa tsy nisy niraika ny olona fa noheverin’izy ireo ho mpangalatra voasambotra hono. Niely ny vaovao izay vao samy nikoropaka nijery ilay razana ny fokonolona. Fantatra fa mpitarika posy no asan’ity hita faty ity,manodidina ny 30 taona eo ho eo izy. Ny fizahana nataon’ny BMH no nahalalana fa nahitana ratra ny handriny ary feno rà ny ati-vavany. Tomban’ny olona ho nisy namono ilay rangahy, ao kosa ireo miteny fa mety ho andro be no nahafaty sy nahavaky ny handriny, ary kaikikitry ny lelany no nahefeno rà ny vavany. Tombana ihany anefa ireo fa ny fanadihadiana no hahalalana ny tena marina, efa am-pelatanan’ny mpitandro filaminana rahateo ny raharaha.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire