Sakoroka tao Mampikony : Olona 17 voarohirohy atolotra ny Fampanoavana anio

Fikomiana, fandrobana ary fanakorontanana, ireo ny vesatra anenjahana ireo olona 17 voasambotra noho ilay sakoroka nitranga tany Mampikony ny voalohandohan’ny volana teo. Araka ny fantatra dia tokony omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana tany Mahajanga saingy noho ny hamaroan’ireo antonta-taratasy dia ahemotra anio indray izany. Taoriana kelin’ny fiverenan’ny filaminana tao amin’ny tananan’i Mampikony dia niroso tamin’ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana, mahakasika ny zava-nitranga tany an-toerana. Tsiahivina fa fitakiana ireo kambana roalahy, voarohirohy tamin’ny famonoana olona tany an-toerana atao fitsaram-bahoaka no nampitroatra ireo vahoaka, ka tonga hatrany amin’ny fandoràna ny biraon’ny zandary, ny fanaovana hazalambo ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ary ny fandoroana fananan’olona. Nahatratra hatrany amin’ny roa tapitrisa ariary mahery tany ho any ny zavatra simba sy may, fa indrindra ny entan’ireo zandary niasa tao Mampikony tamin’io fotoana io. Niisa valo izy ireo. Ambonin’izay ireo fananan’olona simba, toy ilay kamio, voalazan’ireo mpitandro filaminana fa nitondra ireo olona nokasain’ireo mponina atao fitsaram-bahoaka, izay karaokam-by sisa. Tamin’ny fiandohan’ny fanadihadiana, izay noraisin’ny sampana misahana ny heloka bevava ao Mahajanga dia maro dia maro ireo olona nohenoina tamin’ity resaka sakoroka ity. Tamin’izany no nahafahahana nisambotra ireto olona 17 nandray anjara mivantana sy ankolaka tamin’iny tranga iny. Araka ny fantatra dia iray amin’izy ireo ihany no tsy ampy taona. Tsy mijanona hatreo anefa fa mbola misy ireo naman’izy ireo karohina amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.