Antaninarenina : « Alerte à la bombe » tao amin’ny hotely lehibe iray

Nikorontana ny tany ambany rihana vokatry ny fisian’ny harona sachet mainty izay nipetraka teo amin’ny fipetrapetrahan’ny vahiny. Ny antony dia satria nalaza teto an-drenivohitra nisy fotoana fa toa izany hatrany no fomba fametrahan’ny mpanakorontana ny baomba. Noheverina ary fa tena izany tokoa ny tao anatin’ilay harona plastika ary nisy avy hatrany ny fepetra noraisina dia ny namoahana ny vahiny. Tao anatin’izay no nojerena akaiky ny tao anatin’ilay harona ary nahitana fa sakafo tao anaty plastika no tao. Afaka ny ahiahin’ny rehetra ary naverina moramora niditra indray ny olona tao anatin’ilay hotely. Mailo tanteraka ny sain’ny besinimaro hany ka na zavatra tsy dia eritreretina aza dia lasa mety miteraka korotan-tsaina. Isan’ny natahoran’ny maro rahateo tamin’ny fandraisana ity ny mety hisian’ny asa fanakorontanana. Nisy mihitsy ny zandary maro nalefa tany La Réunion mba niofana mahakasika ny ady amin’ny asa fampihorohoroana, izany dia volana vitsivitsy talohan’ny frankofonia no natao. Betsaka ny mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily izay manao fanangonam-baovao eraky ny tanàna sao sendra misy ny mikasa ny hanao asaratsy, indrindra amin’ireo vahiny izay mivezivezy etsy sy eroa. Isan’ny fepetra noraisina amin’ireo mpanao gazety, vahiny hatrany, izay manatontosa asa eraky ny tanàna, ny fanomezana azy ireo mpiambina sivily. Isan’ny nampitombo ny fandraisana fepetra ny fisian’ny fisamborana vahiny iray tetsy Ambodifilao, tamin’ity herinandro ity. Voarohirohy ho mety hisy hidirany amin’ny tambajotra Djihadiste izy io ary noho ny fiaraha-miasa tamin’ny sampam-pitsikilovana frantsay dia nosamborina ny tenany ary tazomina any amin’ny pôlisy. Ny fahatongavan’ny filoham-pirenena frantsay no isan’ny tena mitarika ny fahamailoana ankehitriny. Fantatra fa misy fivoariana saika tsy an-kiato tamin’ity herinandro ity, teo anivon’ny mpitandro ny filaminana isam-bondrony, mba hiatrehana an’izany.     

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.