By-pass : Natsipy an-tanimbary ny biriky, fa nandalo ny vahiny manan-kaja

Jacaranda

briqueSamy nahazo sary avokoa ny rehetra izay nandalo teny amin’ny By-pass, omaly. Nijanona teo amin’ireo mpivarotra biriky amoron-dàlana ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana ary nivoaka mihitsy ny iray no sady nibaiko avy hatrany ireo olona, ny hanary tsy misy hatak’andro ny biriky ao an-tanimbary. Amin’izay mantsy dia mba tsy ho hita maso intsony izany. Tsy afa-nanoatra ireo olona marobe ary ny entana izay tokony hamidy dia natsipitsipy fotsiny ary potika tsy nisy azo noraisina  intsony . Maro ny tohina raha nahita ny sary izay nihodina faran’izay haingana tao anaty tranon-kalam-pifandraisana. Ny fiharian’ny mpitrongy vao homana mihitsy no voakitikitika, hoy ny olona. Efa mba samy niezaka nanafina ny fahantrana ny olona ary nanaiky ny fandaminana, saingy rehefa ny fitadiavana kosa no kitihina toy izao, dia miendrika jadona ny zava-misy. Ary na ny fihetsik’ilay manamboninahitry ny mpitandro ny filaminana nibaiko ny olona aza dia tsy mifanalavitra amin’izany…

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.