Frankôfônia : Mbola tafiditry ny mpangalatra ihany

Jacaranda

Tsy ilaozan’izay tsy ho tafiditry ny olon-dratsy ny hetsika eto an-drenivohitra na dia hamafisina toa inona aza ny fiambenana. Tao amin’ny frankôfônia, tetsy amin’ny CCI Ivato dia nisy ny fitarainana mahakasika ny fitaovana sarobidy izay very. Mpaka sary matihanina iray niasa ôfisialy nandritra ny fihaonambe farany teo no niharan’izany. Fotoana fohy monja no nametrahany ny fakan-tsariny tsy teo imasony dia nanjavona izany. Satria ngeza ihany ilay fitaovana dia nezahina ny nivezivezy eran’ny toerana sao mba ho hita eny amin’olona ihany. Nampandrenesina ihany koa ny tompon’andraikitry ny fiambenana. Nandamoka avokoa izany, tsy hita soritra intsony ilay fakan-tsary  lafo vidy, fampiasan’ny matihanina amin’izany sehatra izany. Tao amin’ny « village » ihany koa dia mbola nisy ny fitarainana hafa izay mifandraika amin’ny fahaverezan’entana hatrany. Tao indray tsy dia nisy hentitra loatra ny fisavana satria azon’ olon-tsotra  nidirana   ilay toerana. Mazava hoazy fa nanamora ny fifangaroan’ny olon-dratsy tamin’ny mpitsidika izany. Nisy ny nilaza ho voaharam-paosy ary koa ny vahiny indray dia nisy nitaraina ho very entana. Toe-javatra efa lasa mateti-pitranga eto amintsika ny fidiran’ny mpangalatra anaty hetsika izay heverina ho goavana. Efa samy nandraingiraingy tamin’izany ny sehatra maro. Ny ambasady izay tafiditry ny mpangalatra mandritra ny hetsika karakarainy, ny atrikasan’ny mpitandro ny filaminana izay karazana manamboninahitra maro no nandray anjara kanefa dia mbola nisy very solosaina ihany. Teo ihany koa ny fidirana anaty fampisehoana ary nisandoka andraikitra mba hahafahana naka ny entana tanaty paoketran’ny mpikarakara marobe. Efa nisy avokoa izany ary tsy nilaozany ny fihanombe an-tampony izay nitranga farany teo.

D.R

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.