Toliara : Mpitondra cyclo-pousse nandroba

Jacaranda

Tsy misy saranga intsony ny jiolahy ankehitriny, fa hatramin’ny mpitondra posy bisikileta mandroba ary miara-miasa amin’ireo tontakely amin’ny asa ratsiny. Ny harivan’ny asabotsy teo, tany Tany Toliara, tokony ho tamin’ny fito ora mahery tany ho any, izay mbola betsaka olona nifamevivezy, dia ramatoa iray avy nivarotra handeha hamonjy fodiana nitaingina “cyclo-pousse” no nisy nanafika teny an-dalana, ka lasan’ny jiolahy tamin’izany ny lelavola 1,5 tapitrisa ariary. Raha ny fanazavana azo dia nijanona tampoka tamina toerana maizina somary nangina ity mpitondra posy izay nilaza fa narary kibo. Nisy roalahy nitondra zava-maranitra anefa nipoitra tampoka ary nidaroka an’ilay ramatoa ka naratra mafy ity farany. Ilay mpitondra posy kosa tamin’io avy hatrany dia naka ny poketran’ity renim-pianakaviana izay nisy ny vola sy ny findainy, ary lasa nitsoaka nandeha an-tongotra. Niantso vonjy ilay ramatoa niharam-boina, ka nifanenjehan’ny olona ireo jiolahy, kanefa rehefa tafiditra tany an’elakelan-trano ireo mpandroba an-dalambe dia tsy hita, ka mbola karohina hatramin’izao. Ankevitry efa fantatr’ireo jiolahy fa mitondra volabe mody isaky ny faran’ny herinandro ity ramatoa mpivarotra ity ka efa voaoman’ izy ireo mialoha ny paik’ady rehetra hanafihana sy handrobana azy, hoy ny vaovao.

Vohibato-Fianarantsoa Dahalo nodorana velona 

Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny distrikan’i Vohibato, ny narainan’ny zoma teo. Dahalo am-polony nirongo basy Kalach sy Mas 36 nanafika tao amin’ny kaominina Lamosina, ka voaroba avokoa ny omby rehetra teo an-tanàna, ary mpanara-dia iray maty, olona telo naratra mafy. Nandritra ny fanarahan-dia, raikitra ny fifandonana, ka dahalo iray voatifitra no tsy afa-nitsoaka intsony, ary nodoran’ny fokonolona velona avy teo. Mbola mitohy ny fikarohana an’ireo dahalo miaraka amin’ny omby nangalariny, raha ny vaovao voaray farany. Rehefa nitranga io halatr’omby narahina vono olona io, dia namory avy hatrany ireo ben’ny tanàna  16 ao amin’ity distrika nahavoafidy azy ny depiote Randrianatoavina Jean, ka paik’ady napetraka mba ho hetsika famongorana ny asan-dahalo nahazo laka tato ho ato, ny « dina » nankatoavin’ny rehetra, dia ny : fandoran’ny fokonolona avy hatrany eo imasom-bahoaka ny dahalo tratra, mba ho anatra sy fampitandremana ho an’ireo fahavalom-bahoaka hafa mbola te-hanohy ny asa ratsiny. « Tsy fitsaram-bahoaka izao fa fiarovan-tenan’ny fokonolona, ary fanapahan-kevitra noraisin’ny rehetra io mba hiadiana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana aty aminay », hoy ity olom-boafidy manamboninahitra ambony ao amin’ny Tafika Malagasy ity, tamin’ny mpanao gazety.

Nangonin’i Eric Manitrisa

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.