Trafikana sokatra : Nidoboka am-ponja ilay mpitandro filaminana sy ny namany

Omaly no natolotra teo anivon’ny Fampanoavana tetsy Anosy ilay mpitandro filaminana, ilay « consultant » eo anivona sampan-draharaha iraisam-pirenena iray, niaraka tamin’ny namany voarohirohy tamina resaka trafikana sokatra, tratra am-bodiomby tetsy Ampasampito, ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia samy nadoboka eny am-ponja avy hatrany ireto fanetriben’ny firenena ireto. Amin’ny 31 jaonoary ho avy izao no fantatra fa hanaovana ny fitsaràna azy ireo. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo no tratra am-bodiomby saika hivarotra sy hisoloky olona tamin’ny alalan’ny fivarotana sokatra ireto olona ireto. Voalaza fa sokatra karazany « angonoka » miisa sivy, izay mitentina eo amin’ny valo tapitrisa ariary eo ho eo ny iray no saika hamidin’ireto olona ireto. Tamin’ny fisamborana azy ireo anefa, ary  tamin’ny alalan’ny fanadihadiana dia sokatra karazany « radiata » izy ireo. Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny tetikasa Alarm, eo anivon’ny Alliance Voahary Gasy moa no nahafahana nisambotra ireto mpanondrana an-tsokosoko harem-pirenena ireto. Marihana fa vokatra fanintelony azon’ireo mpanao fanadihadiana eo anivon’ity tetikasa, miompana amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto amintsika ity, izao fisamborana izao. Hatreto dia sokatra saika haondrana an-tsokosoko mahatratra eo amin’ny 900 isa eo ho eo no saron’izy ireo.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.