Mayotte : Rendrika ny sambo nitondra mpitsoa-ponenana gasy

Niainga tao amin’ny seranana kely manodidiana an’Ambanja ny sambo iray izay nitondra malagasy hitsoa-ponenana atsy amin’ny Nosy Mayotte ny faran’ny herinandro teo. Omaly, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ny fiarovana ny sisin-tany dia telo aloha ny fantatra fa velona. Ny ambiny kosa tsy mbola nahazoam-baovao satria mbola ao anatin’ny fikarohana ny manam-pahefana Mahorais ary hatreto izany dia mbola tsy hita popoka izy ireo. Koa satria nivoaka an-tsokosoko io sambo io dia tsy fantatra mazava ny isan’ny olona teny nentiny. Avy amin’ireo telo velona no mety hahazoana fanamarinana momba an’izany ary hampitaina manaraka ihany ny mety ho fivoaran’ny vaovao. Tsy vao izao akory no nisy ny loza an-dranoamasina izay nitarika fahafatesan’ny malagasy izay mikasa ny hifindra monina ao Mayotte. Tamin’ity taona ity fotsiny izany dia efa fanintelony no nisy ny fahavoazana toa izao. Indroa nisy ny loza an-dranomasina nahafaty malagasy saika hiditra an-tsokokosoko tao Mayotte tamin’ny volana mey. Mbola nitohy izany ny volana jolay sy aogositra saingy io kosa dia tsy nitera-doza saingy tratran’ny mpitandro ny filaminana miaro ny sisin-tany ireo olona izay efa mba saika tafiditra tao an-toerana ihany. Mitsoa-ponenana ny malagasy! Izay no fanazavana manakaiky indrindra itony tranga itony. Ny antony dia satria teren’ny fahantrana aloha mazava hoazy. Manarak’izany, mieritreritra ny maro fa rehefa tafiditra ao Mayotte ka mahita asa dia mba milamina ary mahazo taratasy frantsay rehefa any aoriana any. Ho an’ireo mijery lavitra dia ny taranaka mihitsy no tsinjovin’ireo ny hoaviny mba tsy hahantra velona toa izay niainan’ny ray aman-dreniny. Saingy diso tanteraka ilay fihevitra satria tena hazain’ny manam-pahefana ao an-toerana tanteraka ireny mpitsoa-ponenana ireny. Tsy mitombin-tsaina ary voatery miafina na andro na alina kanefa hiary no anton-dia. Betsaka ny olona izay mba tonga soa aman-tsara ihany saingy mitady ny hiverina tsy misy hatak’andro noho ny tahotra, ny tsy fahitàna asa sy ny antony maro ihany koa. Rehefa tsy misy ny taratasy mazava dia sarotra avokoa ny hiainana any an-tanin’olona. Na ny fampodiana ny razana aza, raha sanatria ka misy ny fahoriana, dia olana tanteraka…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.