Nisandoka ho mpiasan’ny ministera : Dimy taona an-tranomaizina sy lamandy 5.000.000 ariary


Omaly hariva no niakatra fitsarana ilay olona nisandoka ho DRH eo anivon’ny ministeran’ny fanabezam-pirenena. Voaheloka higadra dimy taona sazy mihatra ity voampanga miampy lamandy 5.000.000 ariary. Nampalaza azy ny fahaizany manafaingana ny fampidirana ireo mpampianatra fram ho mpiasam-panjakana ka maro no roboka. An’hetsiny ny vola no efa lasany tamin’ny fanambakana nataony  ka antony nahamaro ireo mpitory. Taorinan’ny fampahafantarana an-gazety ity raharaha ity  mantsy dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ireo no nametraka fitoriana sy nanamafy ny fitarainana efa napetraka teo aloha. Raha tsiahivina dia tamin’ny 23 desambra no voasambotry ny brigady BC5 Anosy teny Ambohitrimanjaka ity mpisandoka ity.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.