Vatomandry : Bizina taova, sandaina 4 tapitrisa ariary ny olona iray

Hafa dia hafa ary mampihoron-koditra ity tranga ity. Roalahy saika hivarotra olona hangalàna taova fotsiny no tra-tehaky ny mpitandro filaminana, tao amin’ny toerana fandraisam-bahiny iray tao Vatomandry tao, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra, dia manodidina ny efatra tapitrisa ariary teo ho eo ny vidin’ny olona iray, saingy afaka miady varotra izay vonona hividy. Raha ny zava-nitranga tao amin’io fotoana io, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, dia tonga tao amin’ity hôtely iray ity ny lehilahy roa, izay nitondra olona roa hafa. Nilaza avy hatrany tamin’ny tompon’ilay hôtely ireto roalahy ireto, fa « mivarotra taovan’olombelona izy ireo », ka ireo olona roa nentin’izy ireo no hangalàna izany. « Rehefa raikitra ny varotra vao vonoina ireo roalahy nentiny mba hakana izay taova ilainy ». Iza tokoa moa tsy hihoron-koditra eo anatrehan’izany filazàna izany, saingy tamin’io fotoana io, dia nilaza fa liana amin’ilay varotra ilay ramatoa tompon’ilay hôtely, ka mety hividy. Natao anefa ny adivarotra fa tsy zaka ilay efatra tapitrisa ariary. Natao ny ady varotra ka tafalatsaka ho telo hetsy sy iray tapitrisa ariary ny iray tamin’ireo olona voalaza fa hangalàna taova. Mbola tsy teo ho no eo anefa ny fandoavam-boala, fa nasainy niverina nony harivariva izy ireo. Tao anatin’izany anefa dia efa nampilaza ny zandary tany an-toerana ilay ramatoa, ka noraisim-potsiny ireto roalahy ireto. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana fa am-pitaka no nahazoan’izy ireo an’ireo « haza » roa nentina tao amin’ilay tompona hôtely. Nolazain’izy ireo mantsy fa hoe homena asa ireto olona ireto. Mbola mandeha moa ankehitriny ny fanadihadiana ataon’ireo zandary ao Toamasina sy ny any Vatomandry mahakasika ity resaka bizina taovan’olona ity.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.