Efa tsy rariny intsony ary tsy takatry ny sain’olombelona ny habibiana nihatra tamin’ity fianakaviana ity. Fahitalavitra, lecteur CD, vilany, vary kapoaka maromaro ary lamba fitafy no nalainy nandritry ny fanafihana. Izany anefa dia nialohavana vono olona : nofiraina tamin’ny antsibe teo imason’ny vady aman-janany ny raim-pianakaviana. Jiolahy telo mitondra basim-borona sy sabatra no nahavita an’izany, ny maraim-ben’ny zoma teo. Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana ary nandriaka eraky ny trano ny rà. Tao amin’ny fokontany Andranovaky, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomamy no nitrangan’izany. Tao anatin’ny iray minitra izany, dia potika tanteraka ny fiainan’ilay tokantrano kely. Mendrika ny hovitaina hatramin’ny farany ny famotorana sy ny fanadihadiana izay hihafara amin’ny fanolorana ny fitsarana ireo mpamono olona, satria tsy ny fiainan’ilay rangahy irery no tapitra teo, fa mbola hisy fiantraikany any amin’ny fianakaviany koa ny fahitana ny famonoana azy, indrindra ireo zanany kely…
D.R