Antsirabe : Trano telo indray no may kilan’ny afo

Nandrava indray ny afo teto Antsirabe, trano telo indray no kila forehitra tao Vatofotsy. Nisesisesy mihitsy raha ny hay trano teto Antsirabe tato ho ato izay, tsy latsaky ny roa isam-bolana no andrenesana izany, ary saika mandrava sy mitondra fahavoazam-be hatrany ny takaitra apetrany. Ny alatsinainy teo no niseho ny loza tao amin’ny piste Vatofotsy tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro tany ho any. May tsy nisy azo noraisina intsony ny fananana rehetra, isan’izany ny vola be  saika hanorenana trano. Fantatra mantsy fa hanangana trano ilay fianakaviana niharam-boina, ary efa vonona teo an-tokotany avokoa ny fitaovana rehetra hanorenana azy, nefa dia izao may tao anatin’ny ora vitsy izao ny ho enti-manana.  Raha ny fanazavana voaray dia ilay trano iray teo ampovoany no niandohan’ny afo, tsy fantatra mazava tsara aloha hatreto ny tena antony nahamay io trano io fa mpiambina iray efa nikoropaka niantso vonjy no nanaitra ny manodidina. Nandritra ny fotoana nahatongavan’ny fokonolona anefa, efa nijoalajoala ny afo ary nanahirana na ny namono azy. Vetivevety rahateo dia nitatra  ary niampita tamina trano hazo roa hafa nifanila taminy. Voalaza fa may tao amin’io trano nifanila taminy  io koa ny vidina kisoa telo vao lafo miampy ny fitaovana sy lamba fitafy ary firakotra sy ny entana rehetra. Ankoatra izay, ny biby fiompy toy ny kisoa dia maty kilan’ny afo tao avokoa. Niezaka nomono ny afo tamin’ny alalan’ny fitaovana kely toy ny rano, fasika sy tany ny fokonolona, saingy nahery vaika loatra ny firedaredan’ny afo ka tsy nisy azo natao afa-tsy niandry izay nahalevona ny afo. Tokantrano telo ahitana olona 20 eo ho eo no traboina ankehitriny ao Vatofotsy, marihina moa fa trano hazo avokoa ireo telo may kila tanteraka ireo.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.