Namela takaitra mafy ho an’ny vahoaka tao Ambohitsilaozana sy ny teto Ambatondrazaka ary ny tao Ambandrika sy Betoloho ny rivodoza Enawo.Saika fahavakian’ny fefiloha avokoa no nahatonga ny fahavoazana, satria raha ny tao Ambohitsilaozana dia ny ranon’i Menaloha no nivily làlana noho ny habetsahany ka ny Tanana avaratr’ Ambohitsilaozana no dibo-drano avokoa, satria voasakan’ny làlana RN 44 ny fivoahan’ny rano ka hatrany amin’ny tendakely ny rano tao an-tanàna.Voatery novakiana nasiana lalan-drano 3 ny RN 44 hamoahana ny rano fa raha tsy izany dia fatin’olona mikararana no hita teo hoy ny ben’ny tanànan’Ambohitsilaozana Atoa Pascal , hatreto izany dia renim-pianakaviana 1 no maty ary 1888 no traboina ,300 ny trano simbany tao Ambohitsilaozana .Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina no niakatra ny rano ka tany amin’ny 3 ora hariva vao nanomboka nihena izany ny faha-8-n‘ny volana Marsa 2017 teo .Tahaka izany ihany koa ny tao Ambandrika satria vaky ihany koa ny ranon’i Manamontana ka namakivaky ny tananan’Ambandrika sy Betoloho ka trano 9 no rava ary trano 105 no nidiran’ny rano ,izay maro ireo traboina fa nitoby amin’ny havany avokoa .Raha ny teto amin’ny renivohitra Ambatondrazaka kosa, dia vokatry ny tsy fisian’ny lakandrano fanariana rano dia dibo-drano ny tao atsimontsena Atsimondrova ka hatrany amin’ny valahana ny rano ka nampijaly ny vahoaka .Tonga nijery ireo traboina tao Ambohitsilaozana ny loholon’i Madagasikara Atoa Rabenony Day, ny 09 marsa 2017 teo ka nanolotra vola roa hetsy ariary hamonjena ny sakafon’ireo traboina izay efa reraka ,teo ihany koa ny dokotera lehibe tao amin’ny hopitaly handray an-tànana maimaimpoana ho an’ireo izay mety tsy ho salama
Janus R