Maroantsetra : Vorona tsy fanta-piaviana, narary izay nihinana

Ireo biby dia mpifindra toerana araka ny vanin’andro sy toetr’andro (oiseau migrateur). Tamin’ity indray mitoraka ity ireo vorona marobe dia isan’ny tra-boina ihany koa noho ny fandalovan’ny rivo-doza Enawo. Maro tamin’izy ireo no nentin’ny rano nitsingevana teo amoron-dranomasina. Tranga izay ratsy fitontona satria nifanandrify koa tamin’ny fisian’ny olombelona tra-boina tao Maroantsetra, toerana izay isan’ny nizaka ny mafy indrindra vokatry ny rivodoza. Nisy tamin’ireo olona no nihevitra izany ho toy ny mana nilatsaka avy any an-danitra ary nihinana avy hatrany. Raha ny fanamarihana azo tamin’ny loharanom-baovao maro, isan’izany ny olona azo antso avy any an-toerana, dia vorona lava vava ary mainty tanteraka izany vavany izany. Raha ny fanamarihana azo hatrany dia ahiana hitombo ny olona hararin’ny fihinana ireo vorona marobe izay tsy fanta-piaviana ary tsy mbola fantatra ihany koa ny fotony (anarana siantifika sns) raha tsy misy ny fepetra raisina faran’izay haingana. Isan’izany ny fitiliana ireo marary, ireo biby ary koa ny fototr’ilay aretina. Raha ny fantatra dia nisy delegasiona niainga avy eto an-drenivohitra, avy amin’ny minisitera maromaro, nidina any an-toerana ary hijery akaiky ny toe-draharaha. Mateti-pitranga any amin’ny faritra ny fihinanan-biby maty izay naterin’ny rano eo amoron-dranomasina. Ny trozona, ny vorona, ny antsantsa dia isan’ny tolo-janahary mihitsy no handraisan’ny olona azy. Ilaharana ny fangalàna ny hena ary toy ny fety ao an-tanàna rehefa misy ny toy izany. Saingy ny hadinon’ny olona dia misy antony matoa maty ny biby. Tsy vitan’izany koa fa efa mety ho simba izy mandra-pahatongany eo amoron-dranomasina. Rehefa misy ny toy izany dia matetika koa ilaharana ny fandehanana any amin’ny toeram-pitsaboana aorian’ny fihinanana ireo hena. Tsy zava-baovao ho an’ny olona any amin’ny sisin-tany izany, saingy ahiana hatrany ny hisian’ny aina afoy raha sanatria ka tsy voafehy ao anatin’ny fotoana fohy ny fandraisana andraikitry ny manam-pahefana.    

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.