Raharaha Antsakabary : Arovana ireo vavolombelona telo

Nisy nahita ny zava-nitranga izay nitarika ny disadisa. Tsy ilay famonoana ireo pôlisy akory fa kosa ny anton’ilay niampangana ireo pôlisy ho dahalo. Misy vavolombelona momba izany raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao ny fanadihadiana. Miisa telo izy ireo ary amin’ny maha-raharaham-pirenena ny raharaha  Antsakabary (Befandriana-Avaratra) dia angatahina ny fiarovana ny ain’izy ireo. Isan’ny fantatra fa miaramila  manana ny galona Sergent ilay nisy nitory ho nangalatra vorona (dokotra). Nandritry ny fitondrana azy ho eny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana no nisy olona nifenana tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Tsy fantatra kosa teo izay tena nitranga na nisy ny “fanorana” nandeha na koa nangataka tsotra ny voankazo teny amin’ilay olona ireo mpitandro ny filaminana. Ny feo nandeha mantsy dia hoe nisy dahalo nifanena tamin’ilay olona (ilay nampita faran’izay maika ny vaovao tamin’ny fokonolona) ary nomarihany mazava fa lasa hatramin’ny mananasy nentiny tao anaty harona. Dia iny voankazo iny, rehefa raikitra ny fanenjehana, no toa porofo nivaingana ho an’ireo andian’olona maro izay nino avy hatrany fa dahalo tokoa ireo roa lahy. Nefa dia nanao akanjo ambony “polo” fanamiana pôlisy ary misy ny anaran’izany vondrona izany teny amin’izy ireo. Tsy nanakana ny famonoana mihitsy izany na dia efa nandohalika aza ireo mpitandro ny filaminana ka nibaboka. Isan’ny tao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona izany. Fantatra ihany koa ny anaran’ilay olona – D. – nitarika ny sahotaka. Efa nosamborina izy io ary nigadra eto an-drenivohitra, miaraka amin’ireo olona maromaro izay tena niditra an-tsehatra tamin’ny famonoana. Raha ny re dia misy ankehitriny ny fangatahana  ny sasan-tsasany amin’izy ireo eny Tsiafahy satria efa manana dosie maloto amin’ny asan-dahalo. Efa samy nahavita ny fanadihadiany avokoa ireo vondrona maro izay nilatsaka tany Befandriana-avaratra ary handrasana ny fampahafantarana izany amin’izay mety hilàna azy. 

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Nankaiza ireo balan’ny kalaky, iza no nangalatra azy, raha maty ireo polisy…?

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.