Ambatondrazaka : « Helicoptère » tsy fata-piaviana tojo andro ratsy, nipetraka teo am-povoan’ny kianja

Hatairana ny an’ireo mponina teo amin’ny manodidina ny kianja Rasolonjatovo, Ambatondrazaka, ny sabotsy lasa teo. Angidim-by izay tsy fanta-piaviana mantsy no saika nianjera teny an-toerana. Efa niretareta toy ireny hitsingidina ireny ity angidim-by ity kanefa afa-nipetraka tsy naninona ihany teo am-povoan’ny kianja, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Nirohotra avokoa ny olona, zavatra tsy dia fahita firy any an-toerana rahateo. Ireo traboina vokatry ny rivodoza kosa dia nihevitra fa  angidim-by tonga hitondra fanampiana ho azy ireo. Nivoaka avy tao anatin’ity « helico » ity anefa, olona iray efa mitsirepirepy sy tanam-polo. Tera-tany alemana ity farany, raha ny vaovao azo hatrany. Nanatona avy hatrany ny olona, saingy niezaka ny nandroaka ireo fokonolona izay mpanamory. Tsy niala ny olona raha tsy tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Ny fanazavana azo tamin’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana, fa avy any Sambava saika ho any Toamasina ity angidim-by ity kanefa sendra ilay andro ratsy navelan’ny rivodoza Enawo ka dia tafavily làlana ary io natopan’ny rivotra eo am-povoan’ny kianjan’Ambatondrazaka io. Omaly maraina tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any, no fantatra fa niainga tao an-toerana izy, nihazo ny toerana tokony hitodiany.

m.L / Janus

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.