Bazary be : Saika zava-doza noho ny herinaratra nitselatra


Jacaranda

Tsy nisy nanampo na inona na inona ny rehetra fa ny setroka mainty be nivoaka tamin’ity trano karana, izay fipetrahana ny ao ambony raha fivarotana ny ao ambaniny, no nampikoropaka ny rehetra, izay nitranga ny sabotsy tolakandro teo. Avy hatrany dia ny fiantsoana mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina, izay haingana ihany ny fahatongavany, no nataon’ny tompon-trano sy ireo mpivarotra manodidina rehetra. Raha nataon’ny mpamonjy voina ny fanadiadiana tao amin’ity trano misy fivarotana an’ny karana tao Bazary be “rue amiral billard” ity, dia resaka herinaratra nitselatra tao an-trano no nahatonga ny fiherehetana, soa fa mbola tsy nahazo ireo fitaovana mora miheritra tao an-trano ny afo nahatonga ny setroka mainty be naterany aloha. Ho an’ny tompon-trano anefa dia tsy nazava tamin’izy ireo ny fitselaran’ny herinaratra nitranga, satria manana ireo fitaovana rehetra hahafahana mijery sy misoroka izany izy ireo. Ho an’ireo trano sy tranom-barotra mifanakaiky sy mifanety amin’ity trano nirehitra ity dia voasoroka ny zava-doza saika niseho, satria raha nisy kely monja dia tranom-barotra sy trano fonenana tsy latsaky ny am-polony no may kila hatramin’ireo entam-barotra. Ankoatra izay, dia nanao ny fiarovana ireo tranom-barotra manodidina noho ny fitangoronan’ny olona ny polisim-pirenena, nisorohana ny mety ho fanararaotana ho an’ny sasany, izay voatery nanapahana ny lalana manoloana ireto tranom-barotra manodidina ilay trano nirehitra. Adiny roa teo ny zava-nisy tamin’izay hain-trano voasoroka mialoha saika nitera-doza goavana tao Bazary be “rue amiral billard” ny sabotsy tolakandro…

Malala Didier

Share This Post

Post Comment