Mananara avaratra : Nentina teo amin’ny zandary ny razana hitakiana ny namono azy


Bmoi

Tsy mbola milamina ny raharaha Antsakabary, mbola ao anatin’ny “couvre feu” ny ao Ambanja, izao dia nitrangana raharaha hafa indray ny ao Mananara avaratra, ny zoma 17 martsa, mikasika ity resaka fitakiana fitsaram-bahoaka olona efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ity.

Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny distrikan’i Mananara avaratra Mahatody Jocelyn Henri, dia resaka vaky trano nitranga ny alakamisy 16 martsa nataon’ity tovolahy iray tao amin’ity raim-pianakaviana monina tao Agnalagnampotsy Mananara avaratra, no niatombohan’ny olana. Ren’ilay tompon-trano ny famakiana ny tranony, nivoaka ny trano nanenjika ity jiolahy ilay rangahy ka teo no voavelin’ny hazo ny lohany ka tsy nahatsiaro tena izy. Ren’ny mponina manodidina ny zava-nisy ka raikitra ny fanenjehana ity jiolahy ity. Tratran’ireo fokonolona izy ka naterin’izy ireo teo anivon’ny polisy kaominaly, izay ireto farany indray no nanatitra izany teny amin’ny zandary. Ilay rangahy tsy nahatsiaro tena noho ny daroka nahazo azy kosa dia tsy tana ny ainy na nentina hopitaly aza noho fahaverezan-drà be loatra nahazo azy.

Mitaky fitsaram-bahoaka. Noho ity raim-pianakaviana ity maty, dia nanomboka niakatra ny mari-pana tamin’ny fahatezeran’ny mponina tao Agnalagnampontsy Mananara avaratra; koa tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro dia nirohotra nankeny amin’ny biraon’ny zandary izy ireo nitaky ny famoahana ilay jiolahy nefa tsy nanaiky izany ireto zandary. Taorian’izay dia nentin’izy ireo teo an-tokotanin’ny zandary ny fatin’ilay tompon-trano, no mbola nitaky ny fitsaram-bahoaka tamin’ity namono azy ireo vahoaka. Niezaka nandamina ny raharaha ny lehiben’ny distrika sy ny ben’ny tanana ary ny lehiben’ny zandary tany an-toerana, ka ora efatra taty aoriana dia nisy ny marimaritra niraisana ka nentin’ireto fokonolona nody ihany ny fatin’ilay rangahy, nisy ihany koa zandary avy any Maroantsetra nanampy ireo namany tao Mananara avaratra, efa nisy koa ny fandefasana ilay jiolahy any Maroantsetra.

Efa milamina ny raharaha ankehitriny, Nisy ny fanampiana nataon’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques, izay mitondra fanampiana hoan’ireo traboina ao Maroantsetra, ka nanolorany vola Ar.1.600.000; teo koa ny fanampiana avy amin’ny lehiben’ny distrika sy ny ben’ny tanana Ar.1.000.000, izay nitondra ilay rangahy maty hihazo ny fasan-drazany ao Fenoarivo atsinanana, izay niala tany an-toerana ny sabotsy 18 martsa. Nandritra ny sakoroka anefa dia tsy nisy ny poa-basy sy ny olona voasambotra na nisy ny fanafarana zandary avy any Maroantsetra nanampy ireo namany tao Mananara avaratra…

Malala Didier

Share This Post

Laisser un commentaire