Antsirabe : Misy andian’olona misandoka ho mpitandro filaminana, maka vola

Tsy vao sambany akory no nandrenesana ity resaka fisandohana andraikitra ity teto Vakinankaratra fa  tranga efa mpiseho matetika ary tsy eo anivon’ny mpitandro filaminana irery no ahitana azy, fa any amin’ny sampan-draharaha hafa koa, indrindra fa ny any ambanivohitra. Tamin’ity tranga iray kosa dia ny mpitandro filaminana mihitsy no misy misandoka ary akany vola be izay tratrany. Toy ity nitranga teto Antsirabe ity vao tsy ela akory izay. Mpandraharaha iray avy eny amin’ny kaominina Ambano no voasolokin’ireo mpisandoka ka nahazoany vola 20 tapitrisa. Manao fanamiana mitovy amin’ny mpitandro filaminana ireo mpisandoka ary milaza amin’ireo olona fantany, fa misy raharaha ilain’ny mpitandro filamanana azy eny amin’ny polisy, raha fanamiana polisy no anaovany, ary zandary raha to aka fanamiana zandary no entiny. Ambarany anefa fa, azo amboarina ny raharahara raha  mifanaraka tsara aminy ka eo ihany dia vita ny resaka fa tsy mila miakatra eny amin’ny biraon’ny polisy na zandary akory. Vola no takian’ireo mpisandoka ary mahavita mitety kaominina mihitsy ry zalahy manao ny asa ratsiny. Manao antso noho izany ny Kaomisera divizionera Talily Damy ho an’ny vahoakan’i Vakinankaratra ny amin’ny fisian’ireo mpisandoka ho mpitandro filaminana ireo. Nambarany fa tsy maintsy mandalo kaominina na  fokontany ny mpitandro filaminana rehefa hamita iraka toy ireny ary miaraka amin’ny karatra maha mpitandro filaminana azy. Tokony ho mailo ny rehetra hoy izy, fa tsy kely làlana ny ratsy, ary raha toa  ka misy ny ahiahy na tranga hafahafa dia tokony hiantso ny tomponandraikitra akaiky na ny mpitandro filaminana.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.