Ambatondrazaka : Famindram-pibaikoana teo amin’ireo Lehiben’ny zandary

Tao anatin’ny lanonana ara-miaramila tsotra nefa manana ny maha-izy azy  no nahatontosana ny famindram-pibaikoana teo amin’ny  Colonel Ranaivonampoizina Harilaza,  lehiben’ny zandary taty Alaotra Mangoro teo aloha, sy ny Colonel Randriamaharivo  Hery Lala  izay hitantana ny fibaikoana vondron-tobim-pileovana Alaotra Mangoro  vaovao eo anivon’ny zandary. Tao amin’ny kianja Rasolonjatovo no nanaovana ny lanoanana ara-miaramila rehetra, ny faha 19 may 2017 teo,  izay nahitana ny General de division Ramiandrasoa Jean De Dieu Daniel,  Komandin’ny zandarimaria Nasionaly. Tao aorian’ny famindrana ny fibaikoana niampy matso lehibe dia   nitohy tetsy amin’ny espace Laza Antanifotsy  ny lanonana, ka nanambaran’ny  Komandin’ny zandarimaria nasionaly  ny baiko tokony harahan’ny zandary. Tsy hitsitsy  fa hanenjika  ny  fanaovana kolikoly eo anivon’ny zandary izy. Tsy mahazo  fibaikoana hiasa amin’ny toerana niaviany ny  zandary iray mba tsy hisian’ny kolikoly sy ny tsy fandraisana andraikitra. Tsy maintsy 3 taona dia afindra ireo manamboninahitra  mitazona ny fibaikoana, ary nanentana ny rehetra mpiara-miasa izy mba  hifanampy  amin’ny zandary. Tsy ekena kosa ny kolikoly eo anivon’ny zandary, na iza izy na iza, hoy ny fanazavana. Raha mahakasika ny vondrotobim-pileovan’ny zandarimaria eto Alaotra Mangoro kosa indray dia efa nahatratra  15 ireo manamboninahitra nibaiko teto nanomboka ny   25 Jona  1976 ka hatramin’izao .Ny  vondron-tobim-pileovana Alaotra Mangoro dia misy  kaompania 3 dia Ambatondrazaka , Andilamena ,Moramanga, izay ahitana « cellule de coordination 1 any Anosibe An’ala , « peleton Mobiles portées 3 , « brigadede police de la route » 1  ao Moramanga, Brigade 12  ,Poste avancés 15 ary Poste FIXES  .  Olomanan-kaja    sivily    ary   miaramila maro  no nanome voninahitra ny lanonana rehetra  ary dia nofaranana tamin’ny alim-pandihizana miavaka niarahana tamin’ny fikambanan’ny vadin’ny zandary aty Alaotra  izany , ka masoandro maty no nampalahelo. 

Janus R   

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.