Ambohimandroso : Notsatohana hazo ny tendany


Jacaranda

Fantatra fa vao tonga avy niasa tany amin’ny faritany ity rangahy ity.

Ny olona nandalo vao maraina teo amin’ilay toerana no nahita ity razana mihoson-drà nitsirara tamin’ny tany. Tao Ambohimandroso Gara no nisehoan’izany ary tao ambadiky ny lalam-by. Teo amin’ny tendany no tena nivohan’ny rà ary rehefa tena nojerena akaiky, dia hita fa nisy hazo sy tavoahangy natsatoka tao. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ity lehilahy izay tombanan’izay nahita, fa manodidina ny 30 taona eo. Olona monina eo Ambohimandroso Gara ihany izy ary mpitarika posy any amin’ny faritra no asany, saingy mba sendra nody teo an-tanàna izy no io nisy namono io. Ny anton’ny famonoana na koa ny tompon’antoka tamin’izany, dia tsy mbola misy mangirana mihitsy hatreto. Na izany aza dia efa azo eritreretina fa tsy fanendahana no nitarika izany satria ny akanjo rehetra an’ilay lehilahy dia mbola hita teo an-toerana avokoa.

D.R

Share This Post

Poster un Commentaire

Soyez le premier à commenter !

Me notifier des
avatar
wpDiscuz