Ankadilàlana : Mpianatra malagasy saika nisy naka an-keriny

Jacaranda

Tovolahy iray mpianatra amina sekoly frantsay iray teny Ankadilalana, no saika nisy naka an-keriny, ny volana martsa lasa teo, araka ny voalazan’ny reniny, izay nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Araka ny fitantaran’ity tovolahy ity, dia olona roa fantany tsara ireto olona ireto, izay nanomboka nanenjika azy, raha iny izy handeha hisakafo iny. Saika tsy namelan’ireto olona ireto ity tovolahy ity, raha tsy tafiditra sy niafina tao an-tokotany fianarany. Efa nisy moa ny fametrahana fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana tamin’ity raharaha ity ary efa natolotra teny amin’ny Fitsarana ny raharaha. Ny mampalahelo, hoy ity renim-pianakaviana ity, dia hatramin’izao dia toa tsy nisy tohiny intsony ny raharaha. Ary etsy andanin’izay dia mahavita mampihorohoro ireto fianakaviana ireto indray ireo olona voalaza fa saika haka an-keriny ilay tovolahy. Marihana fa, olona manana disadisa amin’ny rain’ilay tovolahy ireto olona ireto, raha ny fanazavana hatrany.

m.L

Blueline Air Fiber

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.