Tangaina Moramanga : Taxi-brousse latsaka tanaty hantsana, iray maty, 21 naratra mafy

Zokiolona handeha handray fisotroan-dronono 70 taona no maty teo no eo izay nanahirana ny fakàna azy tao amban’ity fiara mpitatitr’olona latsaka tany amin’ny hantsana 10 metatra; fiara manao ny sa fitateram-bahoaka mampitohy an’Andasibe sy Moramanga ity nivadika ny atalata 18 jolay 2017 teo amin’ny 3 km hiditra an’i Moramanga ity. Feno tsentsina ilay fiara mpitatitra ka anisan’ny nahatonga ny loza etsy ankilany ny fahatapahan’ny isatra.Fiara natokana hoan’ny olona 24 no nitondra olona mihoatra ny 30 miampy ny entana maro samy hafa. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo avy ireo maratra eny anivon’ny hopitalin’ny Moramanga. Tonga nitsidika azy ireo no sady nanatitra solon-dranom-boankazo hoazy ireo loholon’i Madagasikara Razafimandroso Virginie sy solombavambahoaka Randriamahefa Henri Charles niaraka tamin’ny lehiben’ny distrika sy ireo ekipa mandrafitra ny HVM eto Moramanga. Niantso ny mpitatitra ity loholon’i Madagasikara monina eto Moramanga ity ny hitandremana mandrakariva ny ain’ny mpandeha sy ny hanaovana fikojakojana ny fiara mialohan’ny hiasàna mba hisorohana ny loza. Hoan,’ny solombavambahoaka kosa dia ny tokony hahaizan’ny mpamily rehetra mihazo ny lalam-pirenena faharoa ny fitandremana bebe kokoa ny lalana mifehy ny fifamoivoizana.

Cathy

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire