Tanjombato : Mpangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka

Tofoka tanteraka amin’ity firongatry ny tsy fandriampahalemana ity ny olona ka ny aza tratrany ihany. Toy ity  nitranga teny amin’iny faritra Tanjombato ity, ny alin’ny talata lasa teo. Lehilahy iray izay voalaza fa mpangalatra no niharan’ny fitsaram-bahoaka. Noho ny vono sy ny daroka nahazo azy dia tsy tana intsony ny ainy. Araka ny fanazavàna azo dia tsy fantatra mazava na saika hamaky trano ity ranamana ity na hoe tratra nanendaka olona. Ny hany fantatra dia hoe tratra ambodiomby teo am-pangalarana izy saingy mbola nitsoaka ihany. Niara-nientana avy hatrany ireo mponina teny an-toerana tamin’ny fanenjehana. Tsy lasa lavitra akory izy dia voasambotra. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia niainga ny daroka sy ny vono. Efa nentim-po rahateo ireo fokonolona nahatratra azy ka tsy niraharaha intsony fa dia samy nanampatra ny fony teo avokoa. Efa tsy nahahetsika intsony ity farany no tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, niezaka nifehy ireo andian’olona, raha ny fanazavàna azo hatrany. Noezahina nentina teny amin’ny tobim-pitsaboana saingy efa tsy nisy azo natao intsony. Raha ny fantatra dia teo amin’ny lohany no voa mafy, antony izay heverina fa nahafaty ity lehilahy voalaza fa tratra nangalatra ity. Ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava etsy Anosy  moa, raha ny fanazavàna azo avy amin’ireo pôlisy teny an-toerana, no avy hatrany dia nisahana ny famotorana sy ny fanadihadiana mahakasika ity fitsaram-bahoaka ity.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire