Ambilobe : Voay novonoina, nahitàna fatin-jaza ny kibony

Jacaranda

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita na fandre firy no niseho tany amin’ny tanànan’ Ambakirano, Distrikan’ Ambilobe, Faritra Diana, afak’omaly talata tokony tamin’ny roa ora tolakandro. Nisy voay lehibe iray voatondro fa mandripaka biby fiompin’ny mponina manamorona ny reniranon’i Mahavavy iny no voasambotry ny fokonolona. Rehefa novonoina ity voay vavy ngezabe tratra ka norasaina dia nahitana zaza roa tao an-kibony ary atody maromaro, raha ny fampitam-baovao azo avy tamina olom-boafidy iray amin’iny faritra iny. Araka ny nambaran’ity ray aman-drenibe to teny ity hatrany, dia efa fotoana ela ity voay ity no nokarohina, satria mihinana olona rehefa fotoam-pahavaratra ary biby fiompy amin’ny main-tany. Tsy mbola tsy tonga akory ny fotoanan’ny fahavaratra dia efa miakatra ny voay any amin’ny faritra avaratra andrefana. Ary tena loza manambana, mihoatra noho ny pesta aza izany, raha oharina amin’ny zava-misy : miakatra an-tanàna ary mihinana olona. Hatrizay dia biby arovana ny voay ary manana ny hasiny any amin’ny faritra maro. Misy aza ny fomban-tany izay manao fety indray isan-taona mba ho fanomezam-boninahitra ny voay, izay sokajiana ho toy ny Zanahary ho an’ireo mponina mandala izany fomba izany (lac sacré). Ary rehefa mahafaty olona toa izao izany ny voay dia inona no tokony hanasokajiana azy ?

Eric Manitrisa

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.