Sambava : Zazavavy 13 taona naolana mpibizina lavanila, bevohoka

Jacaranda

Tato ho ato, nanomboka ny vavasaha (fotoam-piotazana lavanila) no mankaty, dia nirongatra izay tsy izy ny fanararaotana ara-nofo mihatra amin’ny zaza tsy ampy taona, ary matetika raha ny tati-baovao azo dia ireo tovovavy kely manodidina ny 11 na 12 taona no tena lasibatra. Zazavavy iray 13 taona (vao afaka CEPE farany teo) no fantatra ankehitriny taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo fa mitoe-jaza vokatry ny fanolanana nihatra taminy rehefa niala sasatra tany amin’ny nenitoany, tany Ambaliabe Antsirabe-Nord, Distrikan’i Sambava.  Ny alatsinainy teo no tonga tao Sambava tampon-tanàna ity zaza bevohoka, ka gaga ny reniny nahita azy mandoa lava. Noheverina ho voan’ny pesta rakalakely ka nentina namonjy tobim-pitsaboana. Teo vao akona ny reniny fa mitoe-jaza ity zanany. Rehefa nofotorana mafy ity farany dia nivaky ihany, ary nitantara ny zava-nihatra sy nanjo azy, ka nilaza fa notambazana valo alina ariary izy rehefa naolana mpibizina lavanila in’efatra.

Eric Manitrisa

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.