Manarintsoa Isotry : Mpivaro-kena nanindrona antsy olona


Bmoi

Jacaranda

Niafara tamin’ny rà nandriaka sy vono olona ny fifamaliana niseho teo amina mpirevy vitsivitsy teny amin’iny faritra Manarintsoa Isotry iny ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy. Teo anatrehan’izay kosa dia olona iray, mpivaro-kena, izay voatondro fa isan’ireo nanindrona antsy ity namoy ny ainy ity no nosamborin’ny pôlisy. Raha ny zava-nitranga tamin’io fotoana io : nirevirevy teny an-toerana ny lehilahy iray niaraka tamin’ny rahalahiny. Nisy fifamaliana anefa teo amin’ity olona ity sy ny olona roa hafa, izay niaraka tao amin’io toerana fisotroana zava-pisotro io.  Niha-niakatra ny feo ka tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy izany. Nandositra iretsy olona roa nifamaly tamin’ireto mpiray tampo ireto tamin’izany kanefa tsy niandry ela dia niverina indray, niaraka tamin’ny zava-maranitra tamin’io indray mitoraka io. Nitsoaka noho izany ireto mirahalahy, kanjo nianjera ny iray tamin’izy ireo ary tratran’ireo nitondra zava-maranitra. Tsy nisy fisalasalana avy hatrany fa dia tsindron’antsy maromaro no niantefa tamin’ity farany. Nitsoaka ireo nahavanon-doza nony avy nahavita asa ratsiny. Nezahina nentina novonjena tany amin’iny tobim-pahasalamana kosa ilay naratra kanefa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Nampandrenesina avy hatrany ny pôlisy tamin’io fotoana ary nidina teny an-toerana. Tamin’io, raha araka ny fanazavàna nomen’ireo pôlisy dia fantatr’ireo niharam-boina ireto namono ka dia noraisim-potsiny. Saingy ny iray ihany no voasambotra fa ilay namany tafaporitsaka. Mbola mitohy moa hatreto ny fikarohana ity olona iray nitsoaka ity.

m.L

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Ces personnes ( hommes ou femmes ) qui tuent comme çà méritent la peine capitale : ce serait un exemple formidable pour les autres qui tenteraient de commettre des actes pareils
    Peine capitale :
    – de mort : ça n’existe pas à Dago
    – à perpétuité
    – tapahina ny tanany roa ??? : ils méritent ça je pense
    Mampalahelo ny Malagasy : very tanteraka surtout depuis 2009 tout fou le camp

Post Comment