Mandrangobato II : Nolazaina fa matin’ny pesta ilay olona efa nandrasam-paty iray andro


Bmoi

Jacaranda

Nisahotaka ny mponina tao amin’ny fokontany Madrangobato II, eny  amin’ny faritra Anosibe omaly alina raha nandre fa tsy maintsy halain’ny Emmo-Reg  ny fatin’ity Ramatoa 54 taona izay efa nandrasan’izy ireo nanomboka ny Talata tamin’ny 4 ora maraina tao an-toerana. Nolazaina mantsy  fa matin’ny pesta io olona io. Antony izay nambaran’ireo fokonolona teny an-toerana fa mahagaga ihany satria, teny amin’ny hôpitaly dia voalaza fa tsy nisy resaka pesta izany mihitsy no nahafaty io olona io. Araka ny fanazavana nomen’ny fianakavian’ny maty, niantsena teny Anosibe io Ramatoa io no nitambositra tampoka ary tsy nahatsiaro tena. Nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly avy eo saingy tsy tana intsony ny ainy. Rehafa nahita izany ireo mpitsabo dia nilaza tamin’ireo mpanaraka ity marary fa « tsy izy intsony io » ka ento mody. Tsy nisy resaka pesta mihitsy tamin’izany ary notsindrian’ity vavolombelona niresaka taminay ity fa tsy nisy akory ahiahy momba ny pesta izany akory na koa hoe filazana fa tsy maintsy hatao fitliana mahakasika izany ilay maty. Omaly anefa, gaga ireo fokonolona sy ny fianakaviana fa tonga teny an-toerana ny Emmo-reg  sy olona milaza fa tompon’andraikitra momba ny ady amin’ity aretin-doza ity fa tsy maintsy haka ny razana. Manoloana izany, nikoropaka ireo fokonolona sy ny fianakavian’ny maty ka nanda izany fanam-pahan-kevitra izany avy hatrany. Ho an’izy ireo, toa mahagaga ihany izany satria mazava ny taratasy namoahana ny razana teny amin’ny hôpitaly fa tsy misy resaka pesta izany tao. Faharoa, raha misy tokoa ilay atao hoe pesta, nahoana no efa nandrasana iray andro mahery vao nolazaina izany zava-doza izany. Dia ahoana izany ireo olona nifanerasera sy nikarakara io razana io nandritra izay ora maro be izay ? Noho ireo fanontanina maro tsy ahitam-baliny avy hatrany ireo, nanapa-kevitra ireo vahoaka eny amin’ity fokontany ity fa handa hatramin’ny farany ny hakana ity razana ity eny an-toerana omaly halina. Porofo indray ity fa mbola misy mandringa hatrany ny fifehezana ity valanaretina ity.

T.M.

Share This Post

Post Comment