Antsirabe : Dadabe nanolana zazavavikely 13 taona

Jacaranda

Antitra vao mivoatra gaigy ity rangahy be, zazavavikely vao 13 taona monja no nanaovany ny filan-dratsiny.Tao an-tsena Sabotsy no nisehoan’ity tranga ity, ny Talata lasa teo. Raha ny fantatra dia fanindroany izao no nanolanany io zaza io. Tsy nisy  nanam-po ny zavatra nataony ny manodidina rehetra, izy rahateo efa antitra. Efa mifankazatra amin’ilay zaza rahateo io lahiantitra io kanjo efa miharo tetidratsy ny hamorany. Voalaza fa tambatambazany amin’ny fanomezana kely hatrany io zaza io, io Talata maraina io nentiny tao ambany latabatra fivarotana iray ilay zaza ka tao no nanaovany ny filan-dratsiny. Tsikaritry ny mpivarotra sasany tao an-tsena ihany anefa ny nataony, saingy vetivety ilay io dia nanjavona tsy hitan’ny olona. Rehefa natao ny fikarohana, dia tratran’ny olona tao an-tsena ilay rangahy. Efa maro ny niaka- pofona ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka ilay rangahy, saingy tonga aloha ny mpitandro filaminana. Ny tena nahatsikaiky ny maro ny fandrenesana ilay vadiny nilaza, fa hay ve ka mbola mahavita manao izany indray ilay rangahy.

Andry N.

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.