Sakoroka tao Mahajanga : Fandoroana trano, mpianatra telo nosamborina

Azo lazaina fa nafampana toy ny toetr’andro ihany, ny toe-draharaha tao an-drenivohitr’i Boina tao, ny faran’ny herinandro teo. Ambonin’ny fitokonan’ny mpianatra, ilay fanafihana teny amin’iny tranon’ny mpianatra dia fantatra fa mbola niampy doro trano ihany koa io, ka nisy mpianatra telo no voatery nosamborin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny Emmo, ny zoma lasa teo. Raha ny zava-nitranga, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny mpitandro filaminana, dia taorian’ilay savorovoro tamin’ilay fitokonan’ny mpianatra, ary etsy andanin’izay ny fiparitahan’ny valan’aretina pesta, dia nandray fepetra ny teo anivon’ny Oniversiten’i Mahajanga ny amin’ny hanalana ireo mpianatra rehetra amin’ny trano fonenany aloha. Efa nidina tany an-toerana ireo tompon’andraikitra niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Nisy tamin’ireo mpianatra anefa no tsy nanaiky izay fepetra noraisina izay ka nifamaly tamin’ireo tompon’andraikitra. Tonga hatrany amin’iny fandoroana ny tranon’ny mpianatra tao amin’ny Bloc 16 mihitsy moa izany. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nisy telo tamin’ireo mpianatra nikomy no voatery nosamborina, ary nentina nanaovana fanadihadiana. Fa tetsy andanin’izay ihany koa, omaly dia nitrangana savorovoro tao amin’ny kianja Rabemananjara, rehefa nosakanana tsy hiditra tamin’ny lalao baolina kitra ny mpijery. Izany dia noho ilay fepetra noraisin’ny Fanjakana, ny amin’iny fandrarana olona mivorivory eo anatrehan’ny fiparitahan’ny valan’aretina pesta. Raikitra teo ny tora-bato, saingy niditra an-tsehatra nandamina ihany ireo mpitandro filaminana avy ao amin’iny Emmo. Vita hatramin’ny farany ihany moa ilay lalao, na dia teo aza izany sakoroka izany. Efa milamina tanteraka ny any an-toerana hatramin’ny omaly hariva, ora nanoratanay, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny zandary iray.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.