Fanafihana mitam-piadiana : Misintona lakolosy fanairana ny zandary momba ny MOP

Intelo izay no nisintona ny lakolosy fanairana ny zandary na dia tsy nataon’izy ireo mivantana aza izany. Ny farany dia ny fisian’ny mpanafika mitam-piadiana izay saika nanohy ny asany tao Mahanoro raha avy nanafika tany Soanierana-Ivongo. Telo lahy izy ireo no voasambotra ary noporofoin’ny zandary fa olona voafonja tokony hamita ny saziny, ao Ambalatavoahangy-Toamasina, ny iray. Nefa dia nitondra poleta miaraka amin’ny bala miisa valo (7,65mm) ary niray tendro tamin’ny mpanao heloka bevava. Ny faharoa indray dia ilay tany Bejofo Ambatondrazaka ary mbola voaporofon’ny zandary fanindroany fa gadra (tsy nitsoaka akory) fa nampanaovina MOP (main d’oeuvre pénale) ilay nanao fanafihana ka voasambotr’izy ireo. Ny voalohany, izay niatombohan’ny fanahiana dia ny fisian’ny gadra tao amin’ny « camp pénal » Mandalahy izay nanao fanakanan-dàlana ka nandroba taxi-brousse teny amin’ny RN7. Fifampitifirana be tamin’io tranga io ary nitohy tamin’ny fifanenjehana tany anaty ala tany, satria sendra ireo zandary nanefa iraka manokana hiady amin’ny mpanakan-dàlana no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Raha ny fanamarihan’ny zandary dia ireo jiolahy indray no miditra ao anaty fonja ka lasa naman’ireo voafonja. Miitatra ny hevitra ary dia tonga amin’ny fanafihana. Tsy vao izao no hanafenana ny mpanao ratsy ity resaka MOP ity. Fanafihana telo samihafa izao dia manaporofo ny gaboraraka momba azy.
D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.