Pesta eto toamasina : Marary nitsoaka teto Toamasina maty tany Vavatenina

Ny tolakandron’ny alatsinainy 16 oktobra teo dia tovolahy iray 30 taona no matin’ny pesta tao amin’ny fokontany Anbolofotsy, telo kilometatra miala ny tampon-tananan’i Vavatenina. Raha ny angom-baovao natao dia efa hita miabo teto Toamasina ity tovolahy ity ny alakamisy 12 oktobra saingy nitsoaka tsy nanaraka ny fitsaboana azy ka izao nandositra tany Vavatenina maty izao no niafarany. Nahalala tsara izany ny havany sy ny fianakaviany saingy samy nanafina avokoa ary tsy nisy namporisika azy mba hitsabo tena, fa ny hampitsoaka azy hody an-tanindrazana noho tahotry ny “very faty” no nataon’izy ireo, nefa izao mitatao amin’izy mianakavy izao ny valan’aretina pesta izay mety hamindra amin’ny mpiara-monina amin’izy ireo ao amin’ny distrikan’i Vavatenina ihany koa. Ireo ekipan’ny mpitsabo misahana ny pesta avy eto Toamasina no tonga tany Vavatenina nijery ity raharaha ity, ka avy hatrany nandray an-tanana ny fandevenana azy araka ny lalan’ny fahasalamana amin’ny valan’aretina pesta tahaka izao. Avy hatrany koa dia nomena fitsaboana sahaza avy avokoa ireo olona nifanosiosy tamin’ity tovolahy matin’ny pesta ity rehetra; ifampitadiavana sy nanaovana antso avo koa ny taksibrosy sy ireo olona niray fiara taminy, mba hozahana ara-pahasalamana sy homena ny fanafody mifanaraka amin’izany ihany koa. Vokatra ity tranga na pesta tao Vavatenina ity dia nandray fanapahan-kevitra nampitsahatra ny fampianarana rehetra misy any an-toerana ny Cisco ny Vavatenina isorohana ny mpianatra any an-toerana. Ankoatra izay dia nohamafisin’ny faritra analanjirofo ihany koa ny barazy ara-pahasalamana napetrany ho fanaraha-maso ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-5, ka tsy maintsy savaina sy araha-maso ara-pahasalamana avokoa na fiara mpitatitra na fiara manokana na ireo mpandeha moto sy bisikileta miditra ny faritra Analanjirofo taorian’ity tranga tao Vavatenina ity.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.