Anatihazo Isotry : Jiolahy mitam-basy manao « masque » nandroba mpivaro-kena

Amin’ny ora fanidina tsena no nitranga ny fanafihana tetsy Anatihazo Isotry. Tsy alim-be akory ary mbola nifanaretsaka ny olona, tao ny nividy laoka hariva ary tao koa ny namonjy fodiana. Ny harivan’ny talata teo, manodidina ny tamin’ny fito ora hariva, no tonga ny telo lahy tsy manao saron-tava akory fa  sarom-bava fampiasa amin’ny pesta. Tsy nanam-po na inona na inona ny mpivaro-kena izay teo am-panidiana tsena, raha tsy efa nirangaranga teo amin’ny lohany ny basy. Nazava teo ny tanjon’ireo olona. Norahonana tamin’ilay fitaovam-piadiana izy, dia nasaina navoaka izay rehetra tao anaty fitoeram-bola. Raha ny vaovao nohamarinina teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, dia mitentina 1,4 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy mitam-piadiana. Poa toa izay ireo dia nanjavona rehefa nifangaro tamin’ny olona nifanaretsaka. Voamarika kosa fa basy vita gasy no nampiasain’izy ireo. Manaraka ny zava-misy ny andian-jiolahy ary miketrika izay fomba mety hanamorana ny asaratsiny avy amin’izany. Ny tsikaritra izao tato ho ato, dia ny fampiasan’ireo ireny « cache-bouche » ireny indray hatramin’ny niparitahan’ny pesta. Matetika ny olona no tsy misy manam-po kanefa izany dia tena manamora ny fanafenan’ny jiolahy ny tavany, eny fa na dia hatreo amin’ny orona no midina aza mantsy no takona dia efa sarotra ny hamantarana azy ireo. Mila mizotra mankany amin’ireo mpanao tampim-bava indray izany ny fahamailon’ny mpivarotra rehefa harivariva ny andro.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire