Toamasina : Tratran’ny polisy i “Black” sy “Stella” mpangalatra môtô ikohizana

Jacaranda

Na eo aza ny asan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanampiana ny komitin’ny pesta eto Toamasina amin’ny ady atao amin’ity valan’aretina ity, dia mitohy hatrany koa ny asan’izy ireo amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka, na hita fa miraviravin-tanana ihany aza ny sasany amin’ireo olombelony avy indraindray mikasika ity fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ity. Noho ny ezaky ny polisy anefa dia tratran’izy ireo teo am-pangalarana mihitsy ireto roa lahy tena mampihaiky ny mpitandro ny filaminana amin’ny halatra môtô, noho ny fitarainan’ny olona momba azy ireo mikasika izany, tsy iza izy ireto fa ingahy “Black” sy ingahy “Stella”, tafatsoaka kosa na efa nifanejehan’ny polisy ingahy “Dada” mpanendaka gaigy lahy. Ny voalohany, “Black”, dia tratra ambodiomby tao Mangarano izay mbola teny aminy ilay môtô avy nangalariny sy ny fitaovana fampiasany amin’izany halatra môtô izany ary ireo fitaovam-piarovan-tenany mandritra ny fanejehan’ny olona azy raha sendra misy izany. Ny faharoa, “Stella”, kosa dia tao Tanambarizano no nahatraran’ny polisy azy ambodiomby ihany koa teo am-pangalarana môtô an’olona mijanona eo amin’ny lalam-pasika mihitsy. Ny ao Tanamboriano nahatrarana azy ity sy ny ao Morarano ary ny ao Ambalakisoa no tena fanaovan’ity mpangalatra môtô ity ny asa ratsiny, ka ireo mpisotro anaty trano fisotroana manajanona ny môtô ivelan’ny trano no tena lasibatra. Taorian’ny fiakaran’izy mirahalahy ireto ny fampanoavana dia miandry fitsarana any am-ponja izy roa lahy. Ankoatra izay, raha mikasika ny ady atao amin’ny pesta kosa dia efa saika tsy nahitana voa sy marary ny pesta niditra intsony teo anivon’ny hopitaly manokana misahana izany eto Toamasina tao anatin’ny telo andro teo izao. Ireo olona 16 mbola manaraka ny fitsaboan-tenana sisa no ao amin’ity hopitaly manokana ity, izay mametraka an’i Toamasina eo an-dalam-pandresena ny pesta.

Malala Didier

Blueline Air Fiber

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.