Sakaraha : Potika ny sekoly, milandina manoratra amin’ny tany ireo mpianatra

Jacaranda

Noho ny tsy fisian’ny asa fanamboarana sy fanarenana an-taonan’ny maro, dia potika tanteraka ankehitriny ny EPP ao amin’ny Fokontany Ambahimalitsy any amin’ny Kaominina Ambanivohitry Miary Lamatihy, Distrikan’i Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana. Simba tanteraka ny efitrano fianarana ary miladina manoratra mifotetaka amin’ny tany ireo mpianatra noho ny tsy fisian’ny tabilio, ka manaitra ny fanjakana foibe, indrindra ny ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny mponina any an-toerana, mba hijery ny azo atao anarenana haingana an’ ity sekolim-panjakana iray ity fa tena mampalahelo ny zava-misy any amin’ity Distrika saro-dalana sy mbola faritra mena hatrany amin’ny asan-dahalo. “ Dia ho sanatria tokoa ve araka ny fiteny mahazatra fa tany lavitra andriana sy ambany ravin-kazo aty aminay, ka tsy misy mpijery ny hoavin’ny zaza Malagasy aty ! ”, hoy ny Ben’ny tanànan’ity Kaominina ity raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Eric Manitrisa

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Oh ry Ngahy Ben’ny tanana ah, mbola ny ady politika hitazomana ny ho maha filoham-pirenena aloha izao no mahamaika, izay fiainanareo any tany lavitra andrina any tsy maika ah. Ny dikan’io tsy fikarakarana sy fanamboarana ny sekolinareo ao dia midika hoe hanaovana MOSKE eo. Ny malagasy anie atsy ho atsy lasa mpanofa eh, fa tsy ho tompony intsony eh.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.