Mahajanga : Fanafihana mitam-piadina in-droa nisesy tao anatin’ny alina iray


Bmoi

Jacaranda

Tokatrano roa no lasibatra ny maraina ny Alahady lasa teto. Ny iray teny Tsararano Ambany, ny iray kosa teny Tsaramandroso ambany. Tamin’ny 2 ora maraina tany ho any no niseho ny tranga voalohany tao Tsararano. Telo lahy no voalazan’ny tompon-trano fa nandodona teo am-pivarotana ary lasa rehefa nivoka ny tao an-trano. Nanaraka ireo andian-jiolahy anefa ireto farany ka voarahona hiverina fa hoe manana basy izy ireo. Noho ny fahatahorana dia niemotra niverina nihidy tao an-trano. Nanao tampody fohy aveo ireo jiolahy, namaky an-keriny ilay toeam-pivarotana no nikapokapoka mafy ny varavarana, niantsoantso vonjeo ny tompon-trano saingy tsy nisy nahasahy nivoka ny mpirai-tanàna fa nanao tifi-danitra in-telo teo antokotany ireo jiolahy. Tsy vao voalohany fa efa fanintelony izao no nikasanireo jiolahy namaky io toeram-pivarotaana io saingy izao vao tena nidirany an-keriny. Efa nisy fotoana hoy ny tompon-trano nikasa ny hiditra tao aminny tafotrano ireo jiolahy fa tsy tafiditra. Niezaka niantso ireo mpitandro ny filaminana iany ny tompon-trano nandritra izay rehetra izay. 30 minitra taorina, bar iray iany koa no fantatra fa nisy nanafika teny Tsaramandroso Araka ny nambara, nivoka moramora ireo jiolahy aveo. Tany antokotany izy no nisy nanaraka ary dia nandrahona taminny basy ka nanao tifi-danitra in-droa nisesy.

Tantely Vandriam 

Share This Post

Post Comment